4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy afa-bela - Erick Manana



Mba aiza izay ilay havako

Fa elaela tsy tazako

Manitikitika te hifoha

Ilay fitiavako taloha



Mivezika etsy sy eroa

Tsy mety fa voa maika koa

Nivato-fantsika lalina ao am-po ny alaheloko

Fa nilaozanao mbola tia anie aho

Ka izay no tsy teliko



Matsatsotsatso avokoa

Izay rehetra hitako

Masoandro iny aza halako

Izay jerena mahavaky fo



Fa n’aiza n’aiza halehako

Izay misy ahy misy anao koa

Toa mila kisa amiko izao rehetra izao

Fa mampatsiahy ahy anao

Tsy afa-bela aminao lala ô

No mahatonga ahy toy izao



Tsy afa-bela aminao

Hatrizay ka hatrizao

Mbola ity mitady anao

Manavinavy lasa izao

Tsy afa-bela aminao

Hatrizay ka hatrizao



Raha sendra misy ambiny

Dia mba hamelaho aho fitia

Na sisa latsaka an-dovia

Dia ataoko ho ampy ahy satria

Tsy afa-bela aminao

Hatrizay ka hatrizao...

                  

                                Poopy sy Erick Manana








Partager tsy afa-bela

Commenter tsy afa-bela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite